| Auteur |
Message |
mutombo
Médaille: Bois


Sexe:  Inscrit le: 24 Déc 2007 Messages: 48

|
|
atsahatry ny Minisitera tamin’ny asany ihany ny Filoha sy ny komity mpanatanteraka, ho an’ny taranja lomano
Taorian’ny korontana nitranga, tetsy amin’ny kianjan ‘i Mahamasina, tamin’ny lalao miverina tamin’ny Ajesaia sy ny Costa Do Sol avy any Mozambika tamin’ny alahady 2 martsa 2007 sy ny tsy fahaiza-mitantana, dia nanapa –kevitra ny Minisitry ny Fanatanjahantena sy ny Kolotsaina ary ny Fialamboly, fa tsy nahavita ny andraikitra napetraka taminy ny Federasiona Malagasy ny Baolina kitra ka dia noravana. Delegasionina manokana atsangan’ny Minisitera kosa no apetraka amin’ny toerany, hanohy ny asa rehetra ka hanatontosa indray ny famerenana ny fananganana azy. Ankoatra an’izany dia natsahatry ny Minisitera tamin’ny asany ihany koa ny Filoha sy ny komity mpanatanteraka, ho an’ny taranja lomano. Isan’ny antony nahatonga izany ny tsy nahazoan’izy ireo ny « quitus » ilaina amin’ny fanohizana ny asany, miampy ny fahatsapan’ny Minisitera ny tsy fahatomombanan’ny fitantanan’izy ireo. Adminisitratera delege hotendren’ny Minisitera no hitantana ny Fmn, sy hisahana ny fanomanana ny fifidianana ireo izay ho mpitondra vaovao. Efa noheverina ihany izao fandraisana fanapahankevitra hentitra avy amin’ny fitondram-panjakana ambony izao satria ny ho avin’ny fanatanjahantena no voatohintohina. Ho an’ny mpitia kitra dia somary nahavariana ihany ny fandrenesana sy ny fahitana fa mandray lalao iraisampirenena isika nefa ny filoha mihitsy no tsy eto an-toerana.. Nomarihin’ny Minisitra Patrick Ramiaramanana fa voninahi-pirenena no tandrovina ka tsy maintsy noraisina izao fepetra izao. Efa nampitandrina ireo federasiona hafa ihany koa ny tenany. Soritana fa ho an’ny baolina kitra manokana, dia atsy amin’ny nosy Maorisy ny Filohan’ny federasionina sy ny ekipany sasany. |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Sherkan
Médaille: Diamant


Inscrit le: 19 Juin 2003 Messages: 6061

|
|
... eny e, mety hanova zavatra izany enga anie ka tsy hiditra amin'izany indray ny FIFA ny FIFA mantsy adaladala izay indraindray rehefa miteny izy hoe tsy misy idiran'ny politika ny fanatanjahan-tena... _________________ ..."poitrine de l'année à tous, je pousse du bon pour vous tous"...
..." tratran'ny taona daholo, maniry soa ho anareo aho"......
 |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
joahary
Médaille: Or


Sexe:  Inscrit le: 30 Mai 2007 Messages: 3704 Localisation: Toerana 
|
|
Ny FIFA mety tsy hiditra fa le CAF no ahiko hiditra amin'ny kilaoty tery eo sady ny filohan' ny fédération foot tohanan'ny CAF fona hatranin'izay. _________________ Malaindaina, te haka aina
Hiatrehana ra-maraina
Hiato aloha tsy hirotoroto
Hitombina, ampody zoto |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
rharijaona
Médaille: Diamant


Sexe:  Inscrit le: 10 Sep 2003 Messages: 5790 Localisation: Tananarive 
|
|
Cette décision, je l'avais bien prédit  _________________
Don't drink and drive. Smoke and fly  |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
rharijaona
Médaille: Diamant


Sexe:  Inscrit le: 10 Sep 2003 Messages: 5790 Localisation: Tananarive 
|
|
Bien fait pour ingahy Amady aloha io décision io e.
Gaga ary aho hoe naninona no tsy efa ela no nalàna teo ireny _________________
Don't drink and drive. Smoke and fly  |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Sherkan
Médaille: Diamant


Inscrit le: 19 Juin 2003 Messages: 6061

|
|
Hafa i Amady Président-n'ny FC2A taloha sy Ahmad président-n'ny FMF... _________________ ..."poitrine de l'année à tous, je pousse du bon pour vous tous"...
..." tratran'ny taona daholo, maniry soa ho anareo aho"......
 |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
semigany
Modérateur
Médaille: Nova


Sexe:  Inscrit le: 21 Aoû 2003 Messages: 28387 Localisation: Ambila Lemaitso 
|
|
Bon rava ny FMF ary izao e, inona no tohiny endrasanareo tsirairay tia an'ity kitra ity? Ataovy sérieux fa tena entiko any amin'ny ministre io an!  |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
rharijaona
Médaille: Diamant


Sexe:  Inscrit le: 10 Sep 2003 Messages: 5790 Localisation: Tananarive 
|
|
Pro-Ramiaramanana lety lé
Tokony hisy table ronde entre ny mpitia sy ny mpiandraikitra ny baolina kitra aloha amiko no tena maika.
Toy ireny @ kidaona maraina ireny izay tena ahitàna ny tena fototry ny tsy fahobiazana rehetra. izay vao mijery hoe inona ary ny solution _________________
Don't drink and drive. Smoke and fly  |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Sherkan
Médaille: Diamant


Inscrit le: 19 Juin 2003 Messages: 6061

|
|
tsy mbola rava tsara ny fmf fa mbola miandry ny fifa... tsy hipetraka fotsiny amin'io ny fifa
avy eo ny hoe tokony atao indray... be dia be atomboka amin'ny manaraka ny lalàm-panorenana ny fmf  _________________ ..."poitrine de l'année à tous, je pousse du bon pour vous tous"...
..." tratran'ny taona daholo, maniry soa ho anareo aho"......
 |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
joahary
Médaille: Or


Sexe:  Inscrit le: 30 Mai 2007 Messages: 3704 Localisation: Toerana 
|
|
Rehefa tsy nahavita inoninona ve tsy tokony mba hitsara tena ny hiala e, fa tsy vomaika manambany tena mandeha mikozy any amin'ny FIFA sy ny CAF any.
Ilay Ahmad aloha efa tamin'ny voalohany mihintsy no tsy dia azo azo e. _________________ Malaindaina, te haka aina
Hiatrehana ra-maraina
Hiato aloha tsy hirotoroto
Hitombina, ampody zoto |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Ntaolo Zandriny
Médaille: Diamant


Sexe:  Inscrit le: 28 Jan 2004 Messages: 9007

|
|
Tsy fantatro aloha izay fomba fiasan'ny FIFA sy ny CAF fa izaho manokana dia manohana io fanapahan-kevitra io.
Ary maninona moa raha averina atomboka avy any @ankizy mihitsy ity foot ity e? ohatra @taona hoavy dia championnat de Mada poussin(e)s ihany no misy, dia avy eo ampiana benjamin(e)s, minimes... isaky ny 2 taona. De avela any alou zany CAN sns zany fa sady mandany vola no tsy mamokatra, no manimba kianja. Raha te hilalao ny lehibe dia any @kitra fokontany sy baolim-piangonana miezaka tsara. |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
joahary
Médaille: Or


Sexe:  Inscrit le: 30 Mai 2007 Messages: 3704 Localisation: Toerana 
|
|
Dia any amin'ny firy taona any vao hisy lalao iraisam-pirenena eto (Senior)?
Raha mety sy ampy ny enti-manana dia miezaka ny miatrika lalao iraisam-pirenena manomboka io sokajin-taona poussins io
amin'izay misy fahazarana. _________________ Malaindaina, te haka aina
Hiatrehana ra-maraina
Hiato aloha tsy hirotoroto
Hitombina, ampody zoto |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
rharijaona
Médaille: Diamant


Sexe:  Inscrit le: 10 Sep 2003 Messages: 5790 Localisation: Tananarive 
|
|
Tsy fatatro tsara aloha hoe eo ambany fahefan'iza marina ity fédération ity.
Raha tsy diso aho dia efa nisy décision toa io tany aloha tany fa nolavin'ny FIFA. Dia niverina teo ihany ry lerony avy eo.
Na izany aza dia tokony ho masomandidy @ taniny ny malagasy ka rehefa hita fa tsy mahomby nandritra ny taona maro dia aleo alàna. Izay vokany any vokany. _________________
Don't drink and drive. Smoke and fly  |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
Ntaolo Zandriny
Médaille: Diamant


Sexe:  Inscrit le: 28 Jan 2004 Messages: 9007

|
|
| @joahary: ka aleo aloha hoany izany senior zany fa mandany vola hoa! |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
joahary
Médaille: Or


Sexe:  Inscrit le: 30 Mai 2007 Messages: 3704 Localisation: Toerana 
|
|
Ka ry zalah anie tsy mety hiala fa mialokaloka eo ambany elatry ny FIFA fona e, sady efa nandefa taratasy any amin'io ambaratonga fara-tapony hoan'ny foot io ry zareo.
Tsy ho mora ny hanala ny FMF amzao raha tsy hoe lavin'ny FIFA ihany koa ny fangatahan'izy ireo. _________________ Malaindaina, te haka aina
Hiatrehana ra-maraina
Hiato aloha tsy hirotoroto
Hitombina, ampody zoto |
|
| Revenir en haut de page |
|
 |
|